Tantaran'ny FIKAMBANAN'NY MPIKABARY ETO MADAGASIKARA (FI.MPI.MA.), ATY KANADA.
Anisan'ny fikambananan'ny mpikabary niforona voalohany taty an-dafindriaka ny sampana FIMPIMA Kanada, izay tamin'ny taona 2008. Volavita no anaran'ny andia voalohany.
Alalana avy tamin'ny birao foibe Madagasikara no nahafahan'ny Sekoly Malagasy, tao Montreal (izay notarihan'i Rtoa Sylvie ANDRIANTSARA), izay nikarakara ny fisian'ny
fampianarana kabary voalohany izay notanterahan'i Rtoa Hajaina ANDRIANASOLO sy Pierrette, izay natao tao Montreal sy Ottawa.